Overblog
Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

Manirery

Angamba tsy hitako eto ny lanitra iantsapazana fa feno anao ny foko, Ny maso kely foana no indry mitazatazana ny fitempon' ny fitia, ilomanosan' ireto olona ambadika toloko! Jereo 'ty izy ireto, mikambana - miraikitra maka tahaka eny ilay anjara andraikitro...

Lire la suite

Raha ...

Raha toa ve aho ka teto aina firifiry no reko mba nisento ho an' ny ainga izay tovoiziko? Ny fonareo marefo feno irifiry, tomany sy miventso tena saingy tsy nampoiziko Raha misy fo mitempo hipo-pahatsiarovana Raha misy saina kivy rotik' alahelo Aingao...

Lire la suite

Tsy misy

Na misy aza sedra tsy maintsy sedraiko Manao hosivoanjo ny fiaina-maliako Mainka hijoro ny fo sy ny saiko Tsy maintsy mitohy ny kalom-balihako. Na inona ronjon’ireo herisetra Masiaka fifioka manao sesilany Iaretako ireny satria manam-petra Fa rivo-mandalo...

Lire la suite

Hambo-pitia

Hambo-pitia

Ny foko angamba no feno fitia Sa ve ny fony no efa tsy mila? no efa nambarako izao fa ny aty tsy mba manary na koa hoe midila Ny aminy anefa toa manahiahy Misy fandàvana tsy hay ialàna Na aza tolorako ventso-panahy miloatra ao am-poko izay feno adalàna...

Lire la suite

Namana

Namana! Namako iny ianao rehefa injay mitsiky raha sendra mifanena Namako eny ianao raha toa mamikiviky rehefa injay aho resy voageja an-katerena ..... Namako hono ianao f' isika tsy nahita ny volana niràtra f' isika tsy nandre ny hiran-doharano kanefa...

Lire la suite

Fitsipika anatiny

Soloy ny anarako ny anaranao rehetra Afa tsy ny fanampiny Ilazao ny tantarako izay ratsiratsy toetra Amin'izay mangina ny fo mitapitapiny Atoroy ny varavarako 'reo miseho mitaditady Sy mamangy anao matetika Izay aloha no ambarako fa rahatrizay mivady...

Lire la suite

Mila namana

Raha mamanala ny andro Ka mangatsiaka ianao Dia efa fantatrao Ato an' efitranoko ato Misy donak' afo Azo itaninana Efa misy veromanitra sy siramamy koa Azonao sotroina Misy horonan-tsihy Antonon' olon-droa sy lamba hisalorana - Ato ange madio e! - Ny...

Lire la suite

Tsy hita

Ny zavatra tsy hita ihany tokoa no mahasodoka ny saina sy fo Raha anilan-tiana dia kizitin-dava Vao misy hadisoany dia lasa ny vava Tsy misy alahelo, miseho mafy loha tsy misaina mihintsy ny mety ho ao aloha Kanefa raha vao idifiany ny tava dia sakodiavatra...

Lire la suite