:
Rehefa tafaray ny ranomainty sy ny fanahy zarainy, tena afaka mifampitaha
amin' ireo sangan' ny literatiora ny poeta tanora malagasy. Hitondra
anao any amin' ny tontolo tsy lavitry ny hita maso nefa sarotra vinaniana
izy ireo amin' ny alalan' ny ainga mirakitra anjoria.
Teny manao ahoana no entina milaza
ny matoatendro-poko te ho hipoka tantara?
Ny fameno foana no manezaka hanazava
ka mampiova loko izay tian-ko ambara
Ny drafitra apetrany efa tsy hita intsony
fa mivadika mazàna ka manafoaka saina
Mba aiza re ny setrin' ny ainga toy itony
Izay mandrakotra hafanàna sy mamelombelon' aina?
Raha misy akademia afaka hizara
ireo filozofian' ny fitiavako adala
Avia tongava aty dia mitondrà gitara
fa asiako do - re - mi mba ho maro mpahalala
fa ny aty, ny FITIA: tsy mba mety lany zara !!!
SERANA