:
Rehefa tafaray ny ranomainty sy ny fanahy zarainy, tena afaka mifampitaha
amin' ireo sangan' ny literatiora ny poeta tanora malagasy. Hitondra
anao any amin' ny tontolo tsy lavitry ny hita maso nefa sarotra vinaniana
izy ireo amin' ny alalan' ny ainga mirakitra anjoria.
Iaraha-mahalalany fahalasàna an'i George
ANDRIAMANANTENA izay fantantsika amin' ny solon' anarana hoe Rado. Ketraka, mandringa toy ny voatora-bato ny literatiora sy ireo poeta malagasy saingy
...
Ny poeta tsy mba maty! ... Indro izay teny izay monja no entiko hampiononana
ny fanahiko; Ny vatany mantsy no nangatsiaka, fa ny fiainany mbola ho tinaratra sy hiara-miriaria amintsika homban-kafanàna eto amin' ity tany be hetraketraka ity! Aza manahy, fa betsaka ny hafatra napetrany ho an' ny sokajin' olona tsirairay, koa anjarako izaho sy ianao ny manontany azy rehefa mila torohevitra na fanampiana (mantsy, ny asasorany no masoivoho napetrany ho antsika mila izany). Mbola velona i Rado, mbola eto izy ary mbola hitohy ny hitolona ho an' ny hakanton' ny literatiora malagasy, na aza ... tsy eto. To ny ezaka nataony, feno ny
fanahy nozarainy, sambatra izy! Zokibe Rado, tsaroako fony izaho nibadabada niventso ny ainganao tao amin' ny tranombokim-pirenena
... lasa raiki-tapisaka ato anatiko ny ventin' ny tonony, ny havesatry ny heviny:
"Mahagaga, fa eto an-tanindrazako
aho nefa tenin' olon-kafa no takiana mba ho aiko Izay vao mahazo anjara asa hamelomako ankohonana sady izay mitonatonana Fa ny vary fotsiko aza nosoloiko ireo dipaina vao mihevitra ny tena fa olona miadan-tsaina sy mba feno voninahitra ... Nahita angano ianao ry Taniko!" /...
Tsy hitomany aho, fa tsy mendrika ho azy izany! Ny ranomaso miangona
eo imasoko sy ny foko miemponempon' alahelo, mila ho vaky, hotovoiziko sy havadiko hoainga hanomezam-boninahitra azy sy mba ahafantaran' ny maro fa
tsy maty izy. Farany, antsika io, koa samia mandray ny anjara adidy tandrify azy daholo ny tsirairay ary ho hita taratra tokoa hoe iray fo ny malagasy rehetra ...
Mirary fampiononana tanteraka ho an' ny fianakaviany sy ny poeta rehetra ary ny malagasy tsy ankanavaka ny Manafo ... safo!
SERANA