NY POETA TSY MBA MATY

            

                                                                  (sary MASY)

         Iaraha-mahalala
ny fahalasàna an'i George ANDRIAMANANTENA izay fantantsika amin' ny solon' anarana hoe Rado. Ketraka, mandringa toy ny voatora-bato ny literatiora sy ireo poeta malagasy saingy ...

         Ny poeta tsy mba maty! ... Indro izay teny izay monja no entiko hampiononana ny fanahiko; Ny vatany mantsy no nangatsiaka, fa ny fiainany mbola ho tinaratra sy hiara-miriaria amintsika homban-kafanàna eto amin' ity tany be hetraketraka ity!
Aza manahy, fa betsaka ny hafatra napetrany ho an' ny sokajin' olona tsirairay, koa anjarako izaho sy ianao ny manontany azy rehefa mila torohevitra na fanampiana (mantsy, ny asasorany no masoivoho napetrany ho antsika mila izany).
Mbola velona i Rado, mbola eto izy ary mbola hitohy ny hitolona ho an' ny hakanton' ny literatiora malagasy, na aza ... tsy eto. To ny ezaka nataony, feno ny fanahy nozarainy, sambatra izy!
           Zokibe Rado, tsaroako fony izaho nibadabada niventso ny ainganao tao amin' ny tranombokim-pirenena ... lasa raiki-tapisaka ato anatiko ny ventin' ny tonony, ny havesatry ny heviny:

        "Mahagaga, fa eto an-tanindrazako aho
        nefa tenin' olon-kafa no takiana mba ho aiko
        Izay vao mahazo anjara asa
        hamelomako ankohonana
        sady izay mitonatonana

        Fa ny vary fotsiko aza nosoloiko ireo dipaina
        vao mihevitra ny tena fa olona miadan-tsaina
        sy mba feno voninahitra ...
        Nahita angano ianao ry Taniko!" /...

                Tsy hitomany aho, fa tsy mendrika ho azy izany! Ny ranomaso miangona eo imasoko sy ny foko miemponempon' alahelo, mila ho vaky, hotovoiziko sy havadiko ho ainga hanomezam-boninahitra azy sy mba ahafantaran' ny maro fa tsy maty izy.
Farany, antsika io, koa samia mandray ny anjara adidy tandrify azy daholo ny tsirairay ary ho hita taratra tokoa hoe iray fo ny malagasy rehetra ...

Mirary fampiononana tanteraka ho an' ny fianakaviany sy ny poeta rehetra ary ny malagasy tsy ankanavaka ny Manafo ... safo!
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :