Manirery

Publié le par ZOUKIMI

Angamba tsy hitako eto ny lanitra iantsapazana
fa feno anao ny foko,
Ny maso kely foana no indry mitazatazana
ny fitempon' ny fitia, ilomanosan' ireto olona
ambadika toloko!

Jereo 'ty izy ireto, mikambana - miraikitra
maka tahaka eny ilay anjara andraikitro
rehefa anilanao

Fa mantsy tsy eto ianao, dia mihevitra izy angamba
f' izaho dia tsy mba mambana oroka - fitia
matoa mirevy irery, tankina toa jamba
tsy mahita akory ny hakanton' ny saramba
mandalo hanatrehako ... kanefa tsy eto 'ndry
entiko hanaparana ny reviko anjoria
koa aleoko manirery!

Rehefa mihaona isika,
angamba hisy olona ihany koa hivika
hahita antsika roa, misambatra fitiavana
dia tsy raharahiana, avelao harary fo
Mba ho toy ahy izao koa:
mila ho hody razana!

Andon' Ny Aina
(2H30' - Star Ferry Hong Kong)

Publié dans FIAINANA

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
D
Tohizo fa manja é!DadaRabe
Répondre
Z

Revy iaraha-manana izy ity ry DadaRabe a! Toaka tapany tsy natao hahamamo ny mpianoka fa miandry antsika hanao "plus plus" e! Dia mankasitraka sy mankalaza ary manantena fiaraha-mitolona sy
milomano amin' ity ranon-kanto ity e!
Andon' Ny Aina