Fitsipika anatiny

Publié le par Andon' Ny Aina

Soloy ny anarako
   ny anaranao rehetra
       Afa tsy ny fanampiny

Ilazao ny tantarako izay ratsiratsy toetra
   Amin'izay mangina
       ny fo mitapitapiny

Atoroy ny varavarako
  'reo miseho mitaditady
       Sy mamangy anao matetika

Izay aloha no ambarako
  fa rahatrizay mivady
      Haf'indray ny tetika


                                   Mahefa

Publié dans FITIAVANA

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article