Hambo-pitia

Publié le par Andon' Ny Aina

Ny foko angamba no feno fitia
Sa ve ny fony no efa tsy mila?
no efa nambarako izao fa ny aty
tsy mba manary na koa hoe midila

Ny aminy anefa toa manahiahy
Misy fandàvana tsy hay ialàna
Na aza tolorako ventso-panahy
miloatra ao am-poko izay feno adalàna

Tsy hitako intsony izay azoko atao
Naleoko namoy saingy nitia mangina
Poa tahak 'izay dia iny ny anao:
Nandefa "sms" hoe vangivangiana!

Ny fony angamba no feno fitia
Sa ve ny foko no efa tsy mila?
F' izaho ilay nibabaka mafy tary
nanjary toa niavona, namilafila!

- "Tsy hoe tsy mitempo aminao hoe ny fony,
fa ny sainy mihintsy no tsy any intsony!"

Andon' Ny Aina (13/09/08)

Publié dans FITIAVANA

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
T
Lasa izao RaAndon'ny Aina a ! Atao tsara laza amin'ny akama rehetra. Misaotra fa milay ilay ainga. Dia ataovy maromaro amin'ny manaraka fa mbola te hihosina e !
Répondre
H
Faly mahafantatra mpanakanto malagasy e !Misaotra amin'ny teny mamy fanandratana ny kanto sy mamy navelan'i RADO.
Répondre
Z

Manaja an'i Helisoa. Railovy mandalo vorombola ihany ny tena ka miondrika eto anoloana. Fanahy iombonana ny antsika fa zarain' ny elanelana fotsiny, kanefa na dia izany aza rava ny antsana noho ny
fisian' itony fivoarana itony. Mankasitraka anao noho ny filofosanao lalina amin' ity revy iraisana ity ary manantena fiaraha-misonanika anatin' ny ainga e!
Andon' Ny Aina