TANIKA SY DINIKA

HO AN' IZA ???

  • : MANAFOSAFO!
  • manafo-safo
  • : malagasy fitiavana kolontsaina fialamboly Ainga Littérature
  • : Rehefa tafaray ny ranomainty sy ny fanahy zarainy, tena afaka mifampitaha amin' ireo sangan' ny literatiora ny poeta tanora malagasy. Hitondra anao any amin' ny tontolo tsy lavitry ny hita maso nefa sarotra vinaniana izy ireo amin' ny alalan' ny ainga mirakitra anjoria.
  • Recommander ce blog
  • Retour à la page d'accueil

ZOVY MOA I ...

INDRAY MIPIKA

  • TSILO.jpg

OMBAY MITADY

TSILO

SERANA

Zavona (tohiny)

   - Dada a! ... Dada a!
   - Dadadada amin' inona indray koa eeee, mbay ho' aho tany fa avelao fotsiny aho. Sady mbola nifokofoko mafy nitomany ihany aho.
  
- Dada, dada a! Hoy izy, sady nahifikifiny mafy ihany aho
   - Tena mifona re tompoko ô! Aza atao ho' aho izay hapitapy ahy e, aoka marina e, mifona e! Mivalo aminao re fa aza atao an' io eee!
   - Dadaaa, dada ho' aho mifohaza, mifohazaaaa!
Taitra aho, notsapaiko ny tarehiko tena vonton-dranomaso, natopiko manodidina ny masoko, indro ny vadiko mijoro eo anilako sady nanolotra rano tamin' ny zinga
   - Ity aloha sotroy!

        Tsy nisalasala aho fa tonga dia noraisiko ilay izy sady nosotroiko satria tena nilaiko mafy noho ny tendako maina dia maina. Avy eo somary nitsiky aho satria afaka hadalàna! Efa nangiran-dratsy moa ny andro tamin' izay, tsy nahita tory intsony aho fa alsa nitsangana nandeha tany andakozia ikarakara ny sakafo marainanay telo mianaka. Vita izany dia nanomboka ny fiomakomanako aho sady mbola nieritreritra ny zava-nitranga tamiko ihany no nihomehy irery. Nony nipaika ny ora mamefy ny fiainan-tokantrano  sy ny any am-piasana dia lasa aho indray aho, namikiviky toy ny isan' andro hamonjy ny foto-pivelomanay. Teny an-dalana anefa dia nifandona tamin' ny olona anankiray aho ary taitra mafy! Iza hoy ianao,
   - Shhhh! Hay ve i Lipo e, noheveriko fa olon-kafa!
   - Variana be ange Randria izany e, marina moa! Toa tsy hitanareo akory aho nanantona moramora teo koa!
   - He i! Efa fahazarana leitsy ny ahy io an, ary efa manomboka ho tsy ety an-dalana intsony!
   - Tsy azoko ??!
   - Avelao any leitsy izany fa resaka mandreraka be fotsiny a!
        Dia niara-nanjohy ny lala-kombana teny izahay sy i Lipo satria mifanakaiky rahateo moa ny toeram-piasàna misy anay. Tonga tao am-piasàna aho dia nitohy indray ny andavanandrom-piainana: ny tabataba, miverina indray ny hasosorana sy tabataba majinijinika ao am-piasana. Iny izaho manamarika kaonty eo anoloan' ny solosaina fiasàko iny no indro nisy nandondoana ny varavarana.
   - Haody, afaka mandroso ve?
   - Mandrosoa e! Hoy aho. Nony niselika ny varavarana anefa ny endriny dia taitra mafy aho, nanomboka nangovitra ny lohaliko. Nivarahontsana daholo ny vatako manontolo; Tsy nahateny aho teo fa ny masoko fotsiny no niridiridy nijery azy.
   - Afaka mipetraka ve?
Hoy izy. Tsy mbola nahateny ihany aho fa ny lohako fotsiny no nahatokatoko. Niprtaka izy, ary tonga dia nanohy ny resany ...
   - Azafady tompoko, ohatran' ny endrika efa hitako ianao; Mifankahalala ve isika?

        Ataoko hoe nofy, nefa zavatra nisy; Heritreretina ny fisiany toa rediredy foana, kanefa dia zavatra niainako .... tao anaty nofy!

                                                       Andon' Ny Aina (10/09/08)

SOMBIN-TSORATRA

AMBOHI-PIHAONANA

AMPITAPITAO ...

RAOK' ANDRO

Novembre 2009
L M M J V S D
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
<< < > >>

MIARA-DIA

Créer un blog sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus