Ho an-dRabearivelo
Poeta malahelo
Izato endrika manahy
gina sady reraka
manaloka an-drangahy
hotarafinay tokelaka.
...
RABE...
Henoy kely ange!
SIPA FAHAROA
(vazivazy)
Ny sipako, sipako ihany
Fa ny akany mba sipako koa.
Izay no sipako ivelany izany,
Izay no sipako iray faharoa.
Ireo akama? tsy dia mampanahy
Ireo manafina an'io resaka io
Na izany itsy saiko mahatsiahy
fa ny ataoko dia tsy dia madio.
Saingy... eisy!!... tsy ahoako e!!!
N'inon'inona... tsy raharahiako!!!
Fa na dia hosolosoloiko
Moa tsy ariako rehefa tsy tiako?
Ny sipako sipako ihany
Ny any an-kafa mba sipako koa.
Izay voadona e, aza be fitomany;
hoe efa sipako iray faharoa!
S. Tafita
Fanamarihana : Efa tany amin'ny taona 2006 tany no nanoratako ity tononkalo ity, saingy nasiam-panovana ny taona 2007, ary izao izy nohavaoziko izao indray.
Izato endrika manahy
gina sady reraka
manaloka an-drangahy
hotarafinay tokelaka.
...
RABE...
Henoy kely ange!
SIPA FAHAROA
(vazivazy)
Ny sipako, sipako ihany
Fa ny akany mba sipako koa.
Izay no sipako ivelany izany,
Izay no sipako iray faharoa.
Ireo akama? tsy dia mampanahy
Ireo manafina an'io resaka io
Na izany itsy saiko mahatsiahy
fa ny ataoko dia tsy dia madio.
Saingy... eisy!!... tsy ahoako e!!!
N'inon'inona... tsy raharahiako!!!
Fa na dia hosolosoloiko
Moa tsy ariako rehefa tsy tiako?
Ny sipako sipako ihany
Ny any an-kafa mba sipako koa.
Izay voadona e, aza be fitomany;
hoe efa sipako iray faharoa!
S. Tafita
Fanamarihana : Efa tany amin'ny taona 2006 tany no nanoratako ity tononkalo ity, saingy nasiam-panovana ny taona 2007, ary izao izy nohavaoziko izao indray.