Tnk. Sol. 3-1

Publié le par ZOUKIMI

"Teo am-pandriako nony alina dia mazàna nitady ilay tian'ny fanahiko aho"
                                                                                                     Tnk. Sol. 3-1
 

      Eto anivon'ny alina misandratra, alina tsy tony. Mahazo avara-patana ny korataban'ny fahitalavitra manarinary dia ireo miombon-tafa aminy. Tokoa miala sasatra ireo fanahy mitafy nofo, valabalaka navezivezin'ny andro sy ny filany.
      Izaho kosa... manirery, milomano fahanginana. Fahanginana hafahafa, fahanginana ao anatin'ny tontolo feno resaka. Tsy te hiray korana amin'ny alina mibaby farasan'andro aho fa mila fahatoniana. Ny fahatoniana no ahafahako miampita vetivety ho eo anilanao.
      SOAFARA a! ianao ilay tiana sady tia ka sarobidy eo amin'ny fiainako. Mahantra loatra aho, raha tsy mahita anao. Gina ny tananako rehefa tsy mandre ilay manga feonao toy ny an'ny railovy mikalo ny maraina. Angamba foana koa ny amiko raha toa ka tsisy ianao.
      SOAFARA malalako! Tiako ny rehetra momba anao :
      Ny bikabikanao? Tsy fantatro ny anjely, f'ianao dia sinton-kery mifono misitery misarika ny saiko hanaiky ho babonao.
      Ny toetoetranao? Tsy haiko akia ny mendrika fa ny fahatsoranao dia monja maharendrika ny fo amam-panahiko.
      Ny angolangolanao, mamy toa tantely...
      Ireny sangisangy fanondrakao ny fiainako, dia zary nahalonaka ny tanimbolintsika. Maitso ny fitiavako, mandrobona, mamelana fitia tsy misy fitaka :
              ho fahasambaranao,
              ho fahasambarantsika.
      Malala!
      Eto anivon'ny alina misandratra, alina tsy tony... Izaho mitady anao, izaho misaina anao ao anaty fahatoniako. Fa ny alina malala, eny, ny alina lalaina! tsy mba avelako hivalona raha tsy mivimbina nofinofy mamy mampiray antsika hatrany.
              Iandrandrako ny maraina hahitako anao indray.

                                                                NGALY
                                                 Fitia mitety onja, tak. 08

Publié dans FITIAVANA

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article