Aoka indrindra
"Tsy ho dinganina ny maty, amin'ny tohatoha-miakatra."
Dox, Folihala.
Aoka indrindra
ianao ry Gasy;
Aoka tsy hitsahinao
ny dongom-pasana mitoetra
eo anoloan'ny tongotrao.
Moa tsy ao
ny razantsika rehetra rehetra
no matory?
Aoka akory
na dia dodona aza ianao
(oh! maika izao tontolo izao!?)
Aoka tsy handikadika
raha mamindra;
eo an-dohany!!!
Fa io ange
loha namolavola saina
hahay handrindra
fomba fiaina.
Fantatro fa tena mamy
izany rivo-bao mitsoka avy any...
saingy... he!... tandremo!!!
...ity tongotrao.
Ndeha handroso va ianao?
...Saino aloha ny fadin-tany!
S. Tafita
20-06-08
Dox, Folihala.
Aoka indrindra
ianao ry Gasy;
Aoka tsy hitsahinao
ny dongom-pasana mitoetra
eo anoloan'ny tongotrao.
Moa tsy ao
ny razantsika rehetra rehetra
no matory?
Aoka akory
na dia dodona aza ianao
(oh! maika izao tontolo izao!?)
Aoka tsy handikadika
raha mamindra;
eo an-dohany!!!
Fa io ange
loha namolavola saina
hahay handrindra
fomba fiaina.
Fantatro fa tena mamy
izany rivo-bao mitsoka avy any...
saingy... he!... tandremo!!!
...ity tongotrao.
Ndeha handroso va ianao?
...Saino aloha ny fadin-tany!
S. Tafita
20-06-08