Iny volana iny ...

Publié le par ZOUKIMI

      Raha sendra oriory ny fiainanao ry tiana fa sarotra vakina ny elanelantsika, dia iny volana iny banjinina mangina...
 
        Fenomanana iny, mizara hafaliana
        Rehefa tsinana iny, mampita fitsikiana
        Na misy rahona aza misembana ny diany, tsy maintsy mahatsilo ny fiainanao ny tarany...
 
        Tsy hafa akory Lala ny zavatra lazainy sy hafatra ambarany : NY FOKO no hirainy.
 

        'Lay foko miramirana raha vao jinerinao

        'Lay foko mamomamo mandre ny angolanao

        'Lay foko velon-tsento raha vao ilaozanao...
 
        Dia iny volana iny ilay izaho tsy taka-dia, kanefa akaiky andry...
 
     
Raha sendra oriory ny fiainanao ry tiana ka manina ahy indry, dia iny volana iny banjinina mangina...

                                              NGALY
                                  Vanjam-pitia, tak. 07

Publié dans FITIAVANA

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article