Mitady

Publié le par Andon' Ny Aina

        Malalako,
any ianao 'zao, mandrindrina irery
  ny efitranontsika, fa alina ny andro

dia ... mandroso ny sakafo,
  lovia iray monja no indro arosonao
    ambin' ny sakafo atoandro

Alaminao ny lamba firakofantsika,
  nampianao bodofotsy mba tsy hangatsiaka!
Dia raisinao ny zanako,
  fihinina eo an-tratra, hanakona ny ratra
    amin' ny alahelonao,
    ... mantsy moa tsy tazako?

Tsapako avokoa, ny vazo izay mandalo
  ao an' eritreritrao
Hitako ihany koa, ny tazon' hakiviana
  'zay isaloranao

... Ianao, - manirery velom-bady -
     kanefa ataoko ahoana?
       Izany ilay mitady!


Izaho koa aty, tsy poizin-tory mihintsy
  fa manina anareo,
Misasatra no sady, miharitra ny ady
  handresy ny toreo,

Aza kivy akia malala,
isika tsy adala!
  Mahareta kely fotsiny
'Zao mantsy mahalala
ary tsy misalasala
  F' izao no fanafodiny ...

Manàna faharetana, minoa fotsiny ihany
  ary dia taizao ny zaza
Fa kely sisa dia, tsy maintsy tongako any
  hivimbina aina vao
    na aza izay sahaza !!!



Publié dans FIARIANA

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article