Overblog
Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
mianoka fotsiny aloha

mianoka fotsiny aloha

(antsantononkalo CGM tamin'ny 17/12/09, ahitana an'i Nanja, Rija Al-Jonah, Nofy, Tahirintsoa -sary anoloana havia miankavanana) Mianoka fotsiny an'ireto tononkalo zavontany ireto fotsiny aloha, mandefa vinany any lavitra any. "Injany, injany ... any ho...

Lire la suite

Sendra anao

Rehefa sendra iny mitopy amin' ny fiainana ny fiainantsika roa, Dia zary randran-droa ny filonjy sy fisainana; Dia mampidongy fo ny fotoana izay iainana tsy miaraka aminao ... Rehefa sendra koa ka misy ny tohanana misakan-dalana ao, mainka toa fiolanana...

Lire la suite

Laingalainga

Nanentana finoana nanilo fandresena ireo laingalainga kely nasesikao tanatiko ka nahatonga ahy hiroana hizioga "manantena hisantatra anjely" hatreo am-para hatoko Hay moa ka laingalainga nentina hanadala ny fiainako efa tony ireny tafanao Kanefa laingalainga...

Lire la suite

Ny Aingako

Teny manao ahoana no entina milaza ny matoatendro-poko te ho hipoka tantara? Ny fameno foana no manezaka hanazava ka mampiova loko izay tian-ko ambara Ny drafitra apetrany efa tsy hita intsony fa mivadika mazàna ka manafoaka saina Mba aiza re ny setrin'...

Lire la suite

Velona sy vanona

Tsy tany karakaina ringitra hatsarana fonenan'olombelona tofoky ny miaina ka hoe tsy antenaina. Tsy maty hazavana nilaozana masoandro na firenena vasoka tsy manana fitandro ka hoe tsy ananako hambo. TSIA! ... MADAGASIKARA?! Firenena velona manana mpiahy...

Lire la suite

Ho an-dRabearivelo

Poeta malahelo Izato endrika manahy gina sady reraka manaloka an-drangahy hotarafinay tokelaka. ... RABE... Henoy kely ange! SIPA FAHAROA (vazivazy) Ny sipako, sipako ihany Fa ny akany mba sipako koa. Izay no sipako ivelany izany, Izay no sipako iray...

Lire la suite

Aoka indrindra

"Tsy ho dinganina ny maty, amin'ny tohatoha-miakatra." Dox, Folihala. Aoka indrindra ianao ry Gasy; Aoka tsy hitsahinao ny dongom-pasana mitoetra eo anoloan'ny tongotrao. Moa tsy ao ny razantsika rehetra rehetra no matory? Aoka akory na dia dodona aza...

Lire la suite

Tnk. Sol. 3-1

"Teo am-pandriako nony alina dia mazàna nitady ilay tian'ny fanahiko aho" Tnk. Sol. 3-1 Eto anivon'ny alina misandratra, alina tsy tony. Mahazo avara-patana ny korataban'ny fahitalavitra manarinary dia ireo miombon-tafa aminy. Tokoa miala sasatra ireo...

Lire la suite

Iny volana iny ...

Raha sendra oriory ny fiainanao ry tiana fa sarotra vakina ny elanelantsika, dia iny volana iny banjinina mangina... Fenomanana iny, mizara hafaliana Rehefa tsinana iny, mampita fitsikiana Na misy rahona aza misembana ny diany, tsy maintsy mahatsilo ny...

Lire la suite

Orok' Anjely

Tsy safotofoton'oroka foretadretak'ota mifampifotafota no "veloma akia malala" nataony nony niala ... fa oroky ny anjely mihajahaja kely (ho toy ny tsetsatsetsa tsy aritra naely) ... kanefa tena oroka. Hany ka naharitra ilay tsirona voaloboka !!! Izy...

Lire la suite

1 2 > >>