Dimanche 25 janvier 2009
Par ZOUKIMI
Rehefa sendra iny
mitopy amin' ny fiainana
ny fiainantsika roa,
Dia zary randran-droa
ny filonjy sy fisainana;
Dia mampidongy fo
ny fotoana izay iainana
tsy miaraka aminao ...
Rehefa sendra koa
ka misy ny tohanana
misakan-dalana ao,
mainka toa fiolanana
manakaiky hatrany
ny eo anilanao!
F' impiry moa izao
ny ankaso sy ny sedra
no sendra antsika roa
kanefa tsy nahavoa ...
Mantsy nampiiba
ny ledaledan' afo
sy ny langolangom-po
Fa kisendrasendra mamiko
sy rendrarendram-poko
ilay segondra iray
Segondra fa tsy foiko
Segondra izay inoako
ary hikaloiko ny hoe:
"AHY IRERY IANAO"
... Ahy mantsy ianao!
Dia ho rava ny tontolo,
Hifarana ny andro!
Ary isika sisa
Tena isika irery no handova paradisa
Satria mifankatia
Andon' Ny Aina
SERANA