TANIKA SY DINIKA

HO AN' IZA ???

  • : MANAFOSAFO!
  • manafo-safo
  • : malagasy fitiavana kolontsaina fialamboly Ainga Littérature
  • : Rehefa tafaray ny ranomainty sy ny fanahy zarainy, tena afaka mifampitaha amin' ireo sangan' ny literatiora ny poeta tanora malagasy. Hitondra anao any amin' ny tontolo tsy lavitry ny hita maso nefa sarotra vinaniana izy ireo amin' ny alalan' ny ainga mirakitra anjoria.
  • Recommander ce blog
  • Retour à la page d'accueil

ZOVY MOA I ...

INDRAY MIPIKA

  • Anjoria daholo itony!

OMBAY MITADY

TSILO

SERANA

Mardi 30 septembre 2008

Par ZOUKIMI
Angamba tsy hitako eto ny lanitra iantsapazana
fa feno anao ny foko,
Ny maso kely foana no indry mitazatazana
ny fitempon' ny fitia, ilomanosan' ireto olona
ambadika toloko!

Jereo 'ty izy ireto, mikambana - miraikitra
maka tahaka eny ilay anjara andraikitro
rehefa anilanao

Fa mantsy tsy eto ianao, dia mihevitra izy angamba
f' izaho dia tsy mba mambana oroka - fitia
matoa mirevy irery, tankina toa jamba
tsy mahita akory ny hakanton' ny saramba
mandalo hanatrehako ... kanefa tsy eto 'ndry
entiko hanaparana ny reviko anjoria
koa aleoko manirery!

Rehefa mihaona isika,
angamba hisy olona ihany koa hivika
hahita antsika roa, misambatra fitiavana
dia tsy raharahiana, avelao harary fo
Mba ho toy ahy izao koa:
mila ho hody razana!

           Andon' Ny Aina
(2H30' - Star Ferry Hong Kong)
Publié dans : FIAINANA - Communauté : Terre d'Afrique - Recommander
Ecrire un commentaire
Retour à l'accueil

Commentaires

Tohizo fa manja é!

DadaRabe
Commentaire n°1 posté par DadaRabe le 30/09/2008 à 12h05
Revy iaraha-manana izy ity ry DadaRabe a! Toaka tapany tsy natao hahamamo ny mpianoka fa miandry antsika hanao "plus plus" e! Dia mankasitraka sy mankalaza ary manantena fiaraha-mitolona sy milomano amin' ity ranon-kanto ity e!
Andon' Ny Aina
Réponse de ZOUKIMI le 30/09/2008 à 22h28
Ecrire un commentaire
Voir les 1 commentaires

SOMBIN-TSORATRA

AMBOHI-PIHAONANA

AMPITAPITAO ...

RAOK' ANDRO

Novembre 2009
L M M J V S D
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
<< < > >>

MIARA-DIA

Créer un blog sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus