TANIKA SY DINIKA

HO AN' IZA ???

  • : MANAFOSAFO!
  • manafo-safo
  • : malagasy fitiavana kolontsaina fialamboly Ainga Littérature
  • : Rehefa tafaray ny ranomainty sy ny fanahy zarainy, tena afaka mifampitaha amin' ireo sangan' ny literatiora ny poeta tanora malagasy. Hitondra anao any amin' ny tontolo tsy lavitry ny hita maso nefa sarotra vinaniana izy ireo amin' ny alalan' ny ainga mirakitra anjoria.
  • Recommander ce blog
  • Retour à la page d'accueil

ZOVY MOA I ...

INDRAY MIPIKA

  • Anaty ainga

OMBAY MITADY

TSILO

SERANA

Mercredi 10 septembre 2008

Par Andon' Ny Aina
Namana!

Namako iny ianao
rehefa injay mitsiky
      raha sendra mifanena

Namako eny ianao
raha toa mamikiviky
      rehefa injay aho resy
      voageja an-katerena
      .....

Namako hono ianao
f' isika tsy nahita ny volana niràtra
f' isika tsy nandre ny hiran-doharano
            kanefa tena iray
fa nihaona teny ho eny ny foko sy ny anao
raha mbola tsy hary akory izao tontolo izao
      ....

Namako any ianao
mahita izay mba tsapako anaty zavozavo
mitsiky an'eritreritra rehefa injay aho fa ravo
mikalo am-betsovetsoko rehefa manimanina
de miaraka mirona rehefa samy fanina
...

Namako eny ianao
fa hitako aminao ny Lanitra Maraina
f' ianao na eo na tsy eo
         hatrany ao an-tsaina!

                         Elie RAJAONARISON
Publié dans : FITIAVANA - Communauté : Terre d'Afrique - Recommander
Ecrire un commentaire
Retour à l'accueil

Commentaires

Mankasitraka an'i Andon'ny Aina tamin'ito zavatra itony fa hoatra ny tsaroako hoatra ny misy elatra mitsiry izany ao ambany heliko ao ... hanidina aho. Efa ela no nanofisana an'izy itony de inty izy eto am-pelantanana (sa am-pelamaso ?!?). Izahay eto an-tanàna manara-maso ny rahona misosa eny dia mametsovetso am-po hoe "Namana any ianao". Dia efa hatao foto-tsakafo indray izao ny fijerena an'izy ity maraina atoandro hariva, na alina koa maninona moa. Midaraboka ny rindrin'elanelana rehetra. Dia hoy aho hoe soava ny anjoria e, ho ela velona ny manafo, lavà ny aina anidinana eraky ny abakabaka tsy hita fetran'ny ainga sy ny soratra. Misaotra. Mandra-pitsidika indray. Eto Ambatomaro eto.
Commentaire n°1 posté par TAHIRINTSOA le 23/09/2008 à 13h46

Misaotra RaAndon'Ny Aina a ! Nandalo teto dia tretrika.
Dia tsy maintsy hatao foto-tsakafo mihitsy ny fitsidihana maraina atoandro hariva alina.
Soava ny Anjoria any, lavà ny Aina dia miavia ny soa.

Commentaire n°2 posté par TAHIRINTSOA le 23/09/2008 à 13h53
Ecrire un commentaire
Voir les 2 commentaires

SOMBIN-TSORATRA

AMBOHI-PIHAONANA

AMPITAPITAO ...

RAOK' ANDRO

Novembre 2009
L M M J V S D
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
<< < > >>

MIARA-DIA

Créer un blog sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus